Le 14 Oct 2008 à 22:26 GMT+1, TAF a écrit :

Lettre pour tous les TAF

Viry-Chatillon, faha-14 Oktobra 2008

Ry Fianakaviana,
Terak?Andriandranando France (TAF)

Efa ho roa taona mahery isika izao no tafahaona farany (Picnic 8 mai 2006 tany Villebon),ary hifankahita indray atsy ho atsy, mba hikolokoloana ny Fikambanana TAF izay natsanjana tamin?ny desambra 1996, efa ho 12 taona izany izao.

Alohan?ny hihaonantsika anefa, dia tiako ny mampahatsiahy antsika fa vitsy dis vitsy no nadrotsaka ny cotisations hatramin?ny taona 2005 nankaty. Noho izany dia tsy afaka nanao activités intsony ny Fikamabanana TAF, ny volan?ny Banky anefa tsy maintsy aloa, prélèvement de 12? isam-bolana, tao koa ny 300? nandoavana ny toerana Chateau de Villebon nanaovantsika ny Picnic 8 mai 2006. Ankehitriny dia négatif -28? ny ao amin?ny Banky, ary nomeny 10j isika hameno izany haingana, fa raha tsy izany hono dia alefany any amin?ny tribonaly indray.

Ny momba ny Huissiers aloha dia efa naloanay tamin?ny volanay personnel satria tsy manam-bola intsony ny TAF, ka dia efa vita iny, tsy mitaky na inona na inona amintsika ny Huissier de Justice izay nalefan?ny MACIF fa tsy voaloa ny Assurtances TAF.

Mba hamonjena haingana ny TAF, dia izahay Famille RATOVOHERIZO MAMY DANIEL mivady sy ny zanaka aman-jafiny (Judia Ratovoherizo Rakotobe mivady ny zanany, Jérémie Ratovoherizo mivady sy ny zanany) dia handoa ny anjaranay izahay année 2008,2007,2006, ny chèque harotsakay anio dia anio izany dia 90? (10?/famille/an X 3 ans X 3 familles).

Koa dia mba manainga antsika TAF rehetra koa mba handoa ny adiditsika, cotisation de 10?/famille/an, afaka alefa chèque à l?ordre des TAF aty amin?ny Président.

Handefa fiantsoana fivoriana ho antsika tsy ho ela rehefa hita fa mbola vonona ny hijoro, ato ho ato, amin?ny maha-TAF antsika isika. Mbola maro ireo Fihetsiketsehana samihafa efa nahazatra antsika, kanefa dia toa nijanona tampoka noho ny tsy fisian?ny vola intsony, ary koa noho ny fangatsiahan?ny fo ka tsy nahatsiaro intsony angamba hoe ireo foana anie isika TAF e !

Dia matoky ary manantena ny fahendren?ny tsirairay, ka tsy hanadino ny maha-andriana ny tena, ka mba tsy hihatra amintsika anie ilay fitenin?ny sasany hoe ?andrian-dreraka??

Dia manao veloma finaritra antsika rehetra ary.

Ny Président-n?ny TAF,
Dr Ratovoherizo Mamy Daniel
38, av. du Gal de Gaulle ? 91170 Viry-Chatillon
Tel. 06 80 24 92 59 ?na 01 69 44 13 23

RépondreRépondre en citant

Retour au forum "Forum TAF - ANDRIANDRANANDO"